Chine-Madagasikara : nifampiresahana manokana ny varotra lavanila

Nifampiresaka ny 6 janoary 2023 teo teny Ambohidahy, ny misahana ny fandraharahana ao amin’ny masoivoho si­noa eto Madagasikara, Atoa Zhang Wei sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny minisitry ny Indostria, varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Ed­gard.
Navoitran’ny minisitra tamin’io fihaonana io ny mam­palaza an’i Madagasi­kara amin’ny vokatra lavanila, ka mila hanaovana tolotra manokana amin’ny tsena goavana any Chine. « Voalohany eran-tany amin’ny maha mpamokatra sy mpanondrana lavanila izahay, koa nahoana i Chine tsy manafatra izany aty aminay ? » hoy ny minisitra.
Efa misy ny fifanarahana ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’ny tany roa tonta, izay tokony hampiharina tsa­ra, araka ny fahitan’ny minisitra azy. Azo antoka ny kalitao raha ny lavanila aondrana avy eto Madagasikara, amin’ny karazany rehetra (gousse, poudre, extrait). Tsy mitovy mihitsy amin’ny « vanilline synthétique », araka ny fanamarihan’ny minisitra.

Fangatahana vaovao
Mbola tsy mahasarika ny mpandraharaha sinoa aloha izao ny lavanila avy eto Ma­dagasikara, na efa miondrana aza ny « gousse » saingy mbola vitsy, raha ny fanamarihan’ny ao amin’ny masoivoho azy. Miezaka izao ry zareo Sinoa hampitombo ny vokatra afarana, ary misokatra ho an’ny rehetra.
Fangatahana vaovao kosa no tsy maintsy atao amin’ny fadintseranana sinoa raha hampiditra « poudre sy ex­traits » lavanila. Marihina fa hatramin’izao aloha ny « gous­se » no mbola ankatoavin’ny fadintseranana any an-toerana. Tolokevitra naroso ny hifandraisana amin’ireo mpandraharaha.

Fihaonana Sinoa – Afrika
Ampirisihan-dry zareo Sinoa ny Malagasy handray anjara amin’ny tsenabe iraisam-pirenena, toy ny natao tany Canton sy Shangai, ary eo amin’ny Fihaonana Sinoa – Afrika, andiany faha-III ka anisan’ny hasaina manokana i Madagasikara amin’ity taona ity. Fotoana hararaotina hampahafantarana ny vokatra malagasy, indrindra ny lavanila any amin’ireo tanàna samihafa. Nambara ihany koa ny tokony hifandraisana amin’ireo mpandraharaha sinoa sy ny tombontsoa azo avy amin’ny « e-commerce ».

Ndrina

Partager sur: