Niarahaba nahatratra ny taona sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny solontenan’ny mpivarotra sy ny mponina, omaly. Nanolotra fanomezana ho an’ny ben’ny Tanàna izy ireo nandritra izany. Tonga teny an-toerana avokoa ny fikambanan’ny mpivarotra eto an-drenivohitra sy ny fikambanan’ny mponina ao anatin’ny boriborintany enina. Nahatsapa ireo solontenan’ny mpivarotra sy ny mponina fa niezaka amin’ny fanatsarana ny Tanànan’Antananarivo ny ben’ny Tanàna. «Miezaka mamerina ny hasin’ny tanàna sy hanafoana ny kolikoly ihany koa izy», hoy hatrany izy ireo. Nilaza ireo solontenan’ny mpivarotra fa anjakan’ny endrika kolikoly eny anivon’ny tsena. Efa nahitana fihenana izany ary niezaka ny ben’ny Tanàna hanafoana ny kolikoly noho ny fisian’ny vaomiera manokana miady amin’ny kolikoly. «Nahazo tombontsoa tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny ben’ny Tanàna ny mpivarotra amoron-dalana», hoy izy ireo.
Miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mponina
Manoloana ny asa fampandrosoana ataon’ny kaominina, manampy manatanteraka izany ny fikambanan’ny mponina. Mijery sy mitatitra ny zava-misy eny anivon’ny fokontany tsirairay ao anatin’ny boriborintany enina izy ireo. «Efa henon’ny ben’ny Tanàna ny fitarainana ataon’ny mponina toy ny hamaroan’ny fako, ny hetran-trano midangana ary ny lalana ratsy», hoy Rabenandrasana Fréderic, filohan’ny fikambanana AFAM. «Hisy ny vahaolana haroson’ny kaominina manoloana ireo fitarainana ireo», hoy ny fanazavany hatrany. Marihina fa nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, nahafahana nanao izany. «Vonona ny hiara-hiasa amin’ny ben’ny Tanàna hatrany ireo fikambanan’ny mponina sy ny mpivarotra mba hampandrosoana ny tanàna», hoy izy ireo. Nanome teny fisaorana sy fankasitrahana azy ireo ny ben’ny Tanàna nandritra ny lanonana.
Mino ( Mpianatra asa)