Milatsaka ny orana : maina ny tsenan’ ny hiragasy

Ny orana avy, ny tany mando, fa ny hiragasy «maina ny tsena», hoy ry zareo mpanao azy ity. Tsy miverina indray ny fampisehoana eny ankalamanjana raha tsy any amin’ny maintany. Miova asa ny mpihiragasy (mpandihy, mpitsoka mozika, mpikabary…) iray manontolo. «Saika tantsaha ny ankamaroan’izy ireny ka miompana any amin’ny fambolena sy ny fiompiana indray rehefa latsaka tahaka izao ny orana», hoy i Dadafara Lt Production, iray amin’ireo mpikarakara seho hiragasy sady mpamokatra rakikira sy rakitsary hiragasy rahateo.
Iray amin’ireo zavakanto mirona kokoa any amin’ny fanabeazana ny mpiara-belona ny hiragasy. Hatramin’izao anefa, mbola voafaritry ny vanim-potoanan’ny toetry ny andro izy ity. Raha mbola eny an-kianja malalaka no hanatanterahana ny seho, tsy ho afa-bela amin’ny orana. Ny adin-kiragasy iray anefa tsy vita raha tsy andro iray (maraina sy hariva).

Mety ho azo atao ve ny manatanteraka adin-kiragasy any anaty efitrano ? Azo tanterahina ihany, angamba, izany raha toa ka misy fotodrafitrasa mifanaraka aminy. Mety mbola ho voatazona ve ny fototra maha hiragasy ny hiragasy raha io tokoa no hotanterahina ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: