Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana vono olona tao amin’ny fokontany Antsaribao, kaominina Analaiva, distrika Morondava ny alin’ny alatsinainy teo. Maty voatifitry ny andian-dahalo nirongo basy ny sefo fokontany tao an-toerana, tokony ho tamin’ny 12 ora alina. “Nanafika tao amin’io tanàna ireo dahalo ka namantana tao amin’ny trano fonenan’ity sefo fokontany”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao an-toerana. Naheno izany ity tompon’andraikitra voalohan’ ny tanàna ity ka nandositra saingy nifanehitra tamin’ireo malaso. Nitifitra ireto farany ka voa tamin’izay izy, mbola voafira famaky koa ka namoy ny ainy. Voaroba taorian’io kosa ny ombiny miisa roa. Taorian’izay, nanara-dia ny fokonolona sy ny zandarimariam-pirenena ka hita sy tafaverina avokoa ireo omby voaroba. Tsy mbola fantatra kosa ireo nahavanon-doza saingy mitohy ny fikarohana. Mafana fo ary mandray andraikitra eto an-toerana ity sefo fokontany maty ity.
Mazoto miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana mihitsy izay, ka dia nandry fahalemana ny tanàna. Antony mety nahatonga ireo dahalo tezitra ka nanao izao trangan-javatra izao.
Henintsoa H.