Mpamily kamiao: tsy grevy fa fanairana no hatao

Fantatra fa hanao hetsika amin’ny alahady 15 janoary, ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), noho ny haratsian’ny lalana. Nomarihin’ny filohan’ny Vondron’ny mpitatitra matihanina any Atsinanana (GTPE) Alain, fa araka ny tatitry ny mpamily amin’izy ireo, intelo no nisy kamiao nivadika teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Marozava­vy, amin’iny RN 2 iny.

Finiavana avy any amin’ireo mpamily io hetsika io. Tsy grevy na fitokonana no hatao fa mbola fanairana ny fanjakana ihany. Tsy hibahan-dalana hanakana ny fifamoivoizana izy ireo, fa mijanona tsy miasa, ary tsy mihetsika ny fiarabe.
Hamoaka fanambarana iombonana
Aorian’io 15 janoary io, raha tsy mandray fepetra ny fanjakana, fara faharatsiny, mba pasohina fotsiny ny lalana, na tsy tena mbola harenina hatao godirao aza, hivory ny Vondron’ny mpitatitra matihanina miisa efatra manerana ny Nosy, ary hamoaka fanambarana iombonana.
Tsy misy tsy mitaraina mi­kasika ny haratsian’ny RN 2 ny mpampiasa lalana, toy ny fiara mpitatitra olona, entana ary ny olon-tsotra. Anisan’ny tena ratsy ny eo anelanelan’i Mora­manga sy Ambanitsena, miampy ireo voalazan’ny mpa­mily fa nisy kamiao telo nivadika ta­ny Marozavavy, nahatonga ity hetsika fanairana hataony ity.

Njaka A.

Partager sur: