Nahomby ny ezaka : nidina ny taham-pahafatesana

Araka ny tatitry ny Fi­re­ne­na mikambana, ny taona 2021, misy zaza na tanora iray maty isaky ny 5 segondra maneran-tany. Eto Madagasikara, nisy fivoarana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zazamenavava ary ny kilonga madinika tao anatin’ny 10 taona farany, araka io tatitra io ihany. 14% ny tahan’ny fahatsarana teo anelanelan’ny 2008 sy 2018 ho an’ny taham-pahafatesan’ny reny. Nidina ho 426 amin’ny zaza teraka velona 100 000 ny taham-pahafatesana reny raha 498 folo taona lasa. Ho an’ny zazamenavava, 26 tamin’ny zaza teraka 1000 no taham-pahafatesana ny taona 2021, araka ny fanadihadiana mom­ba ny fahasalamana sy ny fi­vo­aran’ny mponina. Nanambara io fanadihadana io fa 47 kosa ny isan’ny zaza maty mialoha ny fahaherintaonany amin’ny teraka zaza 1000. Efa maro ny ezaka atao hampivoarana ny zava-misy ka ahafahan’ny ankizy rehetra miaina sy misitraka fitsaboana sahaza. Efa voavolavola ny taona 2022 ny tari-dalana ho fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza menavava.

Nahazo fiofanana rahateo ny mpanentana ara-pahasalamana sy ny mpiasan’ny fahasalamana mo­mba ny fanatsarana ny fahaiza-manao amin’ny fandraisana an-tanana ny aretina mpahazo ny ankizy. Nampiarahana ta­min’ireo ny fampitaovana ny toeram-pitsaboana.

Vonjy

Partager sur: