Anisan’ny nisongadina tao anatin’ny dimy taonan’ny tetikasa Vatsin’Ankohonana anatin’ny fandaharasana « Haraton’Aina » ny fisitrahan’ny fianakaviana 150.000 tohana mandritra ny telo taona misesy.
Nanao tombana momba ny tetikasa «Haraton’ Aina», fiahiana ara-tsosialy ny minisiteran’ny Mponina, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, omaly, tetsy Ankorondrano. Nisongadina tamin’izany fa nahatratra 150.000 ireo fianakaviana tena latsaka anaty fahasahiranana nisitraka ny fanampiana Vatsin’Ankohonana tamin’ ireo kaominina 149 anatin’ny distrika 18.
Misitraka tohana ara-bola isaky ny roa volana mandritra ny telo taona ireo ankohonana voasokajy ho marefo. Hahafahan’ireo ankohonana mivoatra, indrindra mampiana-janaka sy manana fihariana hahaleo tena ara-pivelomana, ny Vatsin’Ankohonana. Hitsinjovana ihany koa raha sendra misy tsy fahasalamana. Nahatratra 170.000 ny ankizy tafiditra an-tsekoly tao anatin’io dimy taona nisian’ny tetikasa io.
Misy karazany maro ny sahanasa ao anatin’ny tetikasa «Haraton’Aina» ka ankoatra ny Vatsin’Ankohonana, eo ny Fiavota, Asa Avora Mirindra, Toseke Vonje Aigne…
«Nahafahana nanao jery todika sy vina amin’ny asa hatao amin’ity taona ity ny fihaonana tetsy Ankorondrano, omaly. Eo am-panavaozana ny paikady mikasika ny fiahiana ara-tsosialy ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana», hoy ny sekretera jeneraly, Rakotonirina Patricia.
Raha ny paikady nasionaly dia ny 15%-n’ny Malagasy tena sahirana no voakasiky ny fiahiana ara-tsosialy hatramin’ity taona ity. Hatreto ny 12% no efa misitraka izany ary ezahina hotratrarina amin’ity taona ity ny tanjona.
Ny tetikasa “Haraton’Aina”, fiahiana ara-tsosialy (FSS) izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary arindran’ny minisiteran’ny Mponina, tanterahin’ny FID eny ifotony.
Hitombo ny mpisitraka ny vatsy
Nahazo famatsiam-bola vaovao ny minisiteran’ny Mponina, indrindra ny Sampandraharahan’ny fiahiana ara-tsosialy, mitentina 250 tapitrisa dolara ary ahafahana miasa hatramin’ny taona 2027. “Ambany ny tahan’ny mpisitraka raha ny tetibola nampiasaina, saingy izay no vita”, hoy ny Tale jeneralin’ny mponina, Rivomanana Ghisbert.
Hiitatra ny toerana hisitraka ny tetikasa sosialy, hitombo ihany koa ny isan’ny fianakaviana hahazo tombony amin’ ny fiahiana ara-tsosialy.
Mandamina ny minisitera miaraka amin’ny FID hahafahana manomboka ity tetikasa vaovao ity. Hisy ny anarana manokana hiantsoana ny tetikasa vaovao saingy mbola eo am-pamolavolana izany ny mpiantsehatra rehetra.
Mitovy ny tetikasa “Haraton’Aina” hatrany no hatsaraina entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny tokantrano tena sahirana.
Tatiana A