Tsy fifankahazoan’ny samy depiote: niaro ny kestora Jean Michel ireo ben’ny Tanàna

Nohelohin’ireo mpitazona hazomanga, mpandrindra fiarahamonina ary ireo ben’ny Tanàna miisa 16 amin’ireo kaominina 21 any amin’ny distrikan’Ambovombe An­droy ny depiote any an-toerana, i Milavonjy. Ambaran’izy ireo fa nametavetana sy nanaratsy ary nanalabaraka ny depiote Jean Michel Henri, voafidy tao Ambovombe sy ny mpitondra isan-tokony io solombavambahoaka io. “Tsy rariny intsony ny ataony amin’ny filoham-pirenena, ny le­hiben’antoko, ny governora… Helohinay rehetra tanteraka izany fihetsika tsy mendrika sady mivaona tanteraka amin’ny kolontsaina sy ny fomba am-panao aty Androy izany”, hoy izy ireo, araka ny fanambarana ny 9 janoary teo. Mbola nohamafisin’izy ireo ny fahavononany hiara-kiasa sy hanohana hatrany ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fijereny manokana ny any An­droy. Eo koa ny fahavononan’izy ireo hiara-kiasa amin’ny eny ifotony amin’ny depiote sady kestoran’ny Antenimie­ram­pirenena, mpandrindram-paritry ny TGV any amin’ny faritra Androy, Jean Michel Henri. “Olona azo itokisana ary manana fahendrena sy tsy mbola nivadika tamin’ny filoham-pirenena hatramin’izao”, hoy ihany izy ireo.
Anisan’ny manamafy iza­ny ireo sefo fokontany miisa 96 any an-toerana.

Synèse R.

Partager sur: