Vary Tsinjo: amidy 650 Ar ny kapoaka

Nisantarana ny fanapariahana ny vary Tsinjo ny eto an-dRenivohitra, hitsinjovana ny maitsoahitra ary hahazo koa ny faritra hafa, raha ny filazan’ny minisiteran’ny Varotra. Mitobaka kosa ny vary eto an-toerana any Bongolava sy Atsimo Atsinanana.

Milanja 60 taonina ny vary Tsinjo naparitaka any amin’ny fo­kontany miisa 54 ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mahatratra 194 ny mpivarotra antsinjarany ao anatin’ireo fokontany ireo nanaterana ny vary Tsinjo, omaly alarobia, ka amidy 650 Ar ny kapoaka.
Nilaza ny tale jeneraly ny Varotra sy ny fanjifana (DGCC), Razanakoto Isidore, ao amin’ny minisitera, fa « ezahana haparitaka any amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy ihany koa ny vary Tsinjo. Natao izany, entina hampifandanjana ny tolotra sy ny tinady, ka tanjona ny haha marin-toerana ny vidim-bary ».
Ampy hiatrehana ny maitsoahitra ny vary nohafarana, izay manodidina ny 160.000 taonina. Misahana ny fanapariahana azy, ho tonga eny amin’ny mpanjifa, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Micc) sy ny orinasa SPM (State procurment of Madagascar). « Mitobaka ny vary nohafarana avy any ivelany amin’izao fotoana izao, mba ialana amin’ny tsy fisian’ny vary sy ny fanararaotana samihafa », hoy ihany ny DGCC.
Tsy hita eny an-tsena ny vary nohafarana
Anisan’ny miavaka ny any amin’ny faritra Bongolava amin’ny lafiny famatsiam-bary. Araka ny tatitra avy amin’ny minisitera Micc, mbola manana tahirim-bary mandritra ny 96 andro ny any an-toerana, taorian’ny fitsirihana natao. Izany hoe, afaka haharitra hatramin’ny faran’ny volana marsa. Tsy misy mivarotra any an-toerana ny vary nohafarana avy any ivelany. Tena fambolin’ny tantsaha any an-toerana ny vary va­kiambiaty. Ketsaina izao fiandohan’ny fiavian’ny ora­na izao, ary manomboka mia­ka-bokatra ny volana mey hatramin’ny aogositra.

650 Ar ny kapoakan’ny vary gasy
Efa miakatra kosa ny varialoha any Atsimo Atsi­nanana, araka ny tatitry ny minisitera ihany. Nidina ho 650 Ar hatramin’ny 750 Ar ny kapoakan’ny vary gasy, ary 700 Ar hatramin’ny 750 Ar ny vary nohafarana avy any ivelany. Voalaza fa milamina ny famatsiana any an-toerana mandra-pahatapitra ny varialoha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: