Nanafatrafatra toy ny isan-taona. Natao, omaly teny Mahazoarivo koa ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra. Nitarika izany ny manamboninahitra, zandriny indrindra, ny Lieutenant Rakotoarison Safidiniaina. Miasa eo anivon’ny vondron-tafika ho ami’nny fiarovana ny lapa “Bataillon de sécurité de la primature”, ny tenany.
Tonga nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’ny lahateniny, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy eny Mahazoarivo. “Tokony hijoro mandrakariva isika amin’ny andraikitra nomena antsika tsirairay avy eto amin’ny firenena”, hoy izy.
Anisan’ny niatrika izany koa ny sekretera jeneralin’ny governemanta, Rakotoarisoa Indriamanga. Teo koa ireo manamboninahitra isan-tsokajiny eto anivon’ny fiadidian’ny Primatiora.
Tsiahivina fa fomba fanao amin’ny fetin’ny manamboninahitra, aorian’ny fiarahana manangan-tsaina ny fanolorana gisa ho an’ireo zokiny, ary notohizana tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena izany.
Synèse R.