Nanomboka omaly ary mifarana anio ny fampiofanana ireo « agent communautaire » sy « chef secteur » miisa 520 eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Ampiofanina izy ireo mba tsy hanano sarotra ny fanentanana sy ny fanisana ary ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona te hisitraka ny kopia faobe eny anivon’ny fokontany.
«Aorian’ny fampiofanana, hisy ny fidinana ifotony ataon’izy ireo mba hanentanana sy hampahafantarana ny mponina eny anivon’ny fokontany tsirairay avy», hoy
Ramilijaona Andry, talen’ny tsara tantana sy miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misy ny fe-potoana ahafahana mametraka ny antontan-taratasy amin’ity volana janoary ity ka mahatratra iray volana latsaka izany ho an’ireo rehetra tsy mbola manana izany. « Manomboka ny volana marsa ny fizarana ny kopia faobe andiany voalohany, ny volana mey ny andiany faharoa », raha ny fanazavana hatrany. Marihina fa maimaim-poana ny fanomezana sy fikarakarana ny kopia faobe mandritry ny hetsika.
Hovitaina ao anatin’ny enim-bolana ny kopia faobe miisa 12000 ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny tanora 17 taona. Tetikasa karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, tohanan’ny fikambanana OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) vola ity hetsika ity. Tanjona ny hanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fampananana kopia ny zanany izay tsy manana izany. Marihina fa ilaina alohan’ny hidiran’ny zaza hianatra eny an-tsekoly ny kopia. Ilaina amin’ny fidirany eny amin’ny sehatry ny asa na rehefa hikarakara taratasim-panjakana ihany koa. Tsiahivina fa miisa 350 ireo nisitraka ny kopia faobe tao anatin’ny telo volana lasa. Maro ny fepetra tsy maintsy lalovana amin’ny fikarakarana kopia faobe, raha ny fanazavana hatrany.
Mino (Mpianatra asa)