Fanehoana ny soatoavina sy fandalana ny kolontsaina malagasy. Tonga niarahabana sy nirary soa noho ny nahatrarana ny taona 2023 ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina ny avy amin’ny Tanora miandrandra ny hoavy (TMH). Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, izany lanonana tsotra izany.
Nitarika sy nisolo tena ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny boriborintany enina ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Rafidimanana Désiré. Nambarany fa vonona hatrany amin’ny fanohanana ny ben’ny Tanàna sy ny fampandrosoana entiny izy ireo. “Vonona tanteraka koa izahay amin’ny andraikitra omena anay ho amin’ny famerenana ny hasin’ity Renivohitra ity sy ny ho fampandrosoana azy”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa efa naneho fahavononana tahaka izao koa ho amin’ny fiaraha-miasa sy fanohanana ny ben’ny Tanàna ireo fikambanan’ny mpivarotra ary ireo solontenan’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra, afakomaly, tetsy Mahamasina.
Synèse R.