Nisokatra ny 10 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 26 marsa 2023, ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahafito. Fifaninanana karakarain’ny Fondation H, natokana ho an’ny mpanakanto malagasy monina eto Madagasikara. “Tanjona ny hanasongadinana ny fifaninanana amin’ny famoronana zavakanto maneho ny ankehitriny sy fanohanana izany“, hoy ny mpikarakara. Miisa telo ny ho mpandresy ao anatin’izao fifaninanana izao ary samy hahazo ny amboara araka ny laharany avy.
Efa hatramin’ny taona 2016 no nanohana ny mpanakanto malagasy ny Fondation H, tamin’ny alalan’ny fikarakarana fifaninanana eo amin’ny sehatry ny zav-kanto maneho ny ankehitriny. Ny kalitao ara-javakanton’ny tetikasa, ny maha izy azy, ny fivoarany ary ny fahombiazany no hitsarana ny tetikasa. Lelavola sy tombony maro no azon’ny mpandresin’ny fifaninanana. Ny sandany fotsiny no hampiavaka azy araka ny laharany avy. Hisy ihany koa ny fanohanana amin’ny fanatanterahina ny tetikasa ho an’ny mpandresy.
Randrianarivelo Mahefa Dimbiniaina, tamin’ny alalan’ilay tetikasa hoe “Ho nofy ihany” no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny andiany farany. Nisy ny tan-tsoroka sy fanohanana tamin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Teo ihany koa ny fampirantiana nataony tany Paris, ny desambra 2022. Hanao fampiratiana manokana eny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM ihany koa izy amin’ny fiverenany eto an-tanindrazana, ny volana avrily 2023.
Lin (Mpianatra asa)