Hira sy fanoratana boky: mikalo ny fitiavana sy ny fihavanana i Frère Jean

Niroso amin’ny sehatry ny fihirana aho, noho ny fahatsapako fa mora kokoa ny mampita ny hafatra amin’ny alalan’ny hira, izay toy ny sakaiza akaikin’ireo tanora tokoa ankehitriny”, hoy Frère Jean de la Croix de la Trinite, Rafanomezantsoa (Frère Jean). Ny fivoizana hatrany ny maha zava-dehibe ny fitiavana sy ny halemem-panahy lavitry ny herisetra (fihavanana sy fifanampiana) amin’ny lafim-piainana rehetra no avoitran’i Frère Jean anatin’ireo sanganasany. Nambarany fa antoka iray lehibe hampisy ny rindram-piaraha-monina hitarika ho any amin’ny fampandrosoana, ny fampanjakana ny fitiavana sy ny fihavanana ary ny halemem-panahy.

Tsy nihambahamba ihany koa i Frère Jean nanambara fa « mpanabe ny mpanakanto koa tokony ho mendrika amin’ny lafiny fitondran-tena ary miezaka ny hampita hafatra mafonja sy misy vontoatiny ho an’ny isam-baravarana ». Gadona milamina sy mihetsika, ireo no andrindran’i Frère Jean ny sanganasany. Ireo tranga eny anivom-piaraha-monina kosa no akora fototra entin’ity relijiozy manan-talenta ity manefy izany mba hitondra fanabeazana feno ho an’ny tsirairay.

Naneho ny fahavonany hiroso lalina hatrany amin’ny famolahana ny hira sy ny mozika ho fitaovam-panabeazana mahomby hamolavolana olombanona i Frère Jean. « Hitohy hatrany ihany koa ny famoahana boky ho fanovozam-pahendrena ombam-pahalalana mifototra amin’ny finoana an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy », hoy izy.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: