Mamatsy vola ny tetikasa Rise (Recherche, innovation, surveillance et évaluation) ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana (Usaid). Manatanteraka azy ny sampana laboratoara misahana ny fahadiovan’ny sakafo sy ny tontolo iainana (LHAE) ao amin’ny Institut Pasteur de Madagasikara (IPM). Tanjona ny hahatsara ny kalitaon’ny rano fisotro, ka hitiliana sy hanaraha-maso ny karazana mikraoba sy akora simika ao anatiny, mba hahasoa ho an’ny fahasalamana.
Notokanana, omaly, teny amin’ny foiben’ny LHAE ao amin’ny IPM Avaradoha ny fitaovana vaovao, hanampy ny efa ao an-toerana, hanatsarana bebe kokoa ny asan’ity laboratoara ity. Nilaza ny lehiben’ny sampandraharaha LHAE, Rtoa Alexandra Bastaraud, chef de service LHAE, fa anisan’ny tanjona ny hitiliana ny kalitaon’ny rano any amin’ny faritra lavi-toerana sy mitoka-monina.
Miisa 500 ny fitiliana natao
Nohamafisin’ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana, ny fidiovana, Ravokatra Fidi-niavo izany, nilazany fa, misy amin’ireo fitaovana vaovao ireo azo enti-tanana, ka tsy hanahirana ny mampiasa azy any ambanivohitra any. Miisa 500 ny fakana singa efa nataon’ny LHAE tamin’ny dingana voalohany amin’ny tetikasa Rise.
Nomarihin’ny minisitra koa fa manana laboratoara manokana hitiliana ny kalitaon’ny rano koa ny Jirama. Azo sotroina ny rano, fa ny loto avy amin’ny fantsona efa antitra no mahatonga ny rano maloto rehefa miverina ny famatsiana aorian’ny fahatapahana.
Njaka A.