“Manahirana be ny mieritreritra hoe mivaro-janaka ve? Tsy kolontsaintsika Malagasy izany. Maninona ny olona no miteny an’izany? Rehefa jerena any: marina fa misy ny fahasahiranana”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, omaly, momba ny renim-pianakaviana mivaro-janaka any Ikongo.
Manamarina amin’ny lafiny rehetra aloha ry zareo eo anivon’ny fitandroana filaminana ny amin’izay hoe mivaro-janaka izay. Eo ny olom-boafidy, ny olom-boatendry, ny ampanjaka, ny eny an-tsena, ny lehibem-pokontany… Tsy nisy niteny hoe marina izany. Mpiray tanindrazana amin’ny tena ihany no miteny ny fisian’izay, iangaviany ry zareo mba hampiseho ny manao an’izany. Ny ben’ny Tanàna nilaza hoe misy : iza, taiza ary oviana… ?
“Ny Foloalindahy na ny fanjakana amin’ny ankapobeny tsy miteny hoe tsy misy ny fahasahiranana”, hoy izy. Manahirana izany hoe mivaro-janaka izany. Tsy maintsy mitondra porofo ny nipoiran’izany. Raha tsy izany, tsy tokony hanao an’izay fa tsy mitondra inona ho an’ny firenena. Ny zavatra goavana: inona ny vahaolana amin’ny fahasahiranana? Mijery an’izany ny fanjakana sy ny tomponandraikitra tsirairay avy.
R. Nd.