Ankalazaina anio 13 janoary 2023 ny tsingerintaona faha-110 nahaterahan’i Dox, na Razakandraina Jean Verdy Salomon. Teraka ny 13 janoary 1913 tany Manankavaly izy ary maty ny 14 jona 1978 teto Antananarivo ka milevina any Anjanapara Antsirabe. Mpanoratra malagasy nalaza sy nanana ny naha izy azy i Dox. Nampidirina tao amin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny mpianatra Malagasy mihitsy ny momba azy izay hianaran’ny mpianatra ao amin’ny taona fahafito. Natao izany mba hahalalan’ny taranaka aty aorina ny momba izany kintan’ny asa soratra malagasy izany.
Niavaka i Dox teo amin’ny fanoratana sy famoronana. Mivetso ny fitiavana sy miresaka ny fahafatesana no tena nataon’ity mpanoratra ity ao anatin’ny tononkalony. Isan’ny antony nahatonga izany ny fahoriana nidona taminy matetika. Isan’izany ny nahafaty ny zanany sy ny rainy ary ny vadiny. Nisy ihany koa ny tononkalo miantsa ny zavaboahary noforoniny. Miendrika “Sonnet” na 4-4-3-3 ny fomba fanoratr’ity mpanoratra ity tononkalo, izany hoe, andininy roa voalohany andalana efatra ary ny andininy roa faharoa andalana telo. Nahatratra 14 ny amboaran-tononkalo navoakany. Nisy ihany koa ny tantara an-dampihazo miisa dimy novokariny.
Fiantsana ny tononkalony no nanentanana ny mpanao tononkalo sy mpanoratra, entina mankalaza izany tsingerin-taona faha-110 nahaterahan’i Dox izany.
Lin (Mpianatra asa)