Nampiasa ny « puce » nangalariny: dahalo nanafika ben’ny Tanàna maty voatifitra

Nanafika ben’ny Ta­nàna, maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao
amin’ny fokontany Vohi­mary, kaominina Ambohitsa­ra, distrikan’i Manakara ny talata 9 janoary teo. Ny alin’ny alatsinainy, niditra an-keriny tao amin’ny tranon’io ben’ny Ta­nàna ao an-toerana io ireo dahalo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ny entana rehetra. Nam­pandre avy hatrany ny zandary ity lasibatra ity. Rai­kitra ny hazalambo ireo nahavanon-doza. Nantsoina ny findain’
ilay ben’ny Tanàna izay efa lasan’ireo dahalo. Mbola nisy nandray anefa izany ka noraisim-potsiny ity farany. Natao famotorana io lehilahy io. Nibaboka izy fa lehilahy iray monina anatin’ny fokontany io ihany no lehiben’izy ireo. Nanaiky hitondra ny mpitandro filaminana any amin’io tranon’ny lehibeny io ity da­halo ity. Teny an-dalana, na­nararoatra ny andro maizina sy ny fidirana tao anaty kirihitr’ala izy ka nitsoaka nandositra. Nampitandreman’ny zandary izy hijanona saingy na­nohy ny diany ihany. Vokany, maty voatifitra io dahalo iray io. Ankoatra ity dahalo iray lavo ity, nitohy ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny fisamborana ireo namany efa fantatra. Tafakatra enina ireo voasambotra ary atao famotorana alohan’ny hitondrana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana. Naverina amin’ilay ben’ny Tanàna lasibatra ireo entana tra-tehaka teny amin’ireto dahalo ireto.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: