Mbola arahi-maso ilay andian-drahona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, hoy ny fanazavan’ny teknisinina eny Ampandrianomby, omaly. Mitoetra ihany koa hatramin’ny anio ny fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Analamanga. Hanelingelina ny asa andavanandron’ny rehetra izany satria mety hihena ny fahitana ho an’ny mpampiasa lalana, ahina ny fihotsahan’ny tany sy ny fivangongoan’ny rano amin’ny faritra iray ka tokony ho mailo ny rehetra. Momba ny toetry ny andro ho an’ny telo andro manaraka, hitohy ny orana anio ho an’ny eto Antananarivo ny tapany hariva fa hahazo erika kosa ny maraina. Rahampitso, ny hariva no ahitana erika mahalana amin’ny faritra sasany eto Analamanga. Ny alahady, ho maina ny andro mandritra ny tontolo andro. Ao anatin’ny hateloana, ho maina ny andro any Atsimon’ny Nosy. Hahazo orana ny tapany avaratra anio hariva raha ho maina rahampitso. Any amin’ny ilany andrefana no hisitraka orana tandrifin-drahona rahampitso.
Ahina ny rivodoza amin’ny herinandro
Araka ny vinavina momba ny rivodoza ao anatin’ny roa herinandro ho avy, nambaran’ny Meteo Malagasy, mandritra ny herinandro 16 ka hatramin’ny 22 janoary, tokony harahi-maso akaiky ny fivoaran’ny rivodoza manodidina an’i Madagasikara. Vinavinaina hitoetra ireo fepetra manome vahana ny fivoarana rivodoza manakaiky an’i Madagasikara. Noho izany, ahina ny hisian’ny rivodoza mety hahakasika ny distrikan’i Vohémar, Sambava, Antalaha, Maroantsetra, Toamasina, Vohibinany, Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Mahanoro, Nosy Varika, Mananjary ary Manakara. Hatramin’ny faran’ny herinandro, tsy misy fanahiana momba ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara na hisy fiforonana rivodoza aza ao amin’ny ranomasimbe Indianina, hoy ny fanamarihan’ny teknisianina.
Vonjy A.