Sendra nandalo: tovolahy matin’ny herinaratra

Namoy ny ainy ny tovolahy iray vokatry ny herinaratra tamina tariby matanjaka nofaohan’ny kamiao nandalo tao Anketro/Ambalakatsaka, distrikan’Ambatofinandrahana, oma­ly mitataovovonana. Tsy nanampo na inona na inona, sendra nandalo tamin’ny arabe ity tovolahy ity. Voafaokan’ny kamiaobe iray tampoka anefa ny tariby mitondra herinaratra. Nandray io tariby io ity tovolahy ity ka nihinjitrinjitra niraikitra teo. Fotoana fohy taorian’io, niezaka nanavotra azy ireo manodidina. Tsy tana intsony ny ainy vokatry ny hamafin’ny herinaratra. Naharay ny zava-nisy, nidina ifotony ny tomponandraikitra ao an-toerana notarihin’ny ben’ny Tanàna sy ny zandary ary ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII. Natao ny fizahana ilay namoy ny ainy ary natolotra ny mpiantoka azy ny vatana mangatsiakany. Niroso tamin’ny famerenana ny laonina ilay tariby namoa-doza ny tomponandraikitra misahana izany.

Tsiferana R.

Partager sur: