Mbola baraingo hatreto ny tetiandrom-pifidianana na nivory nandinika izany aza ny eo anivon’ny Ceni. Hifandresy lahatra amin’ny governemanta izy ireo, ato ho ato.
“Izay voalazan’ny lalàmpanorenana aloha no ifotorana hatramin’izao. Tsy mivaona amin’izay aloha izahay. Amin’ny 19 novambra ka hatramin’ny 19 desambra 2023 no tokony hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, araka ny lalàmpanorenana”, hoy ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny tetiandro amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izay nivorian-dry zareo teny amin’ ny foiben-toerany, ny Alarobia, afakomaly.
Raha 19 novambra no hatao izany, izay ilay hoe farafahaingany. Ny 19 aogositra farafahaelany no tsy maintsy mivoaka ny didim-panjakana fanaikana mpifidy handatsa-bato. Midinika ny amin’izay ny Ceni hoe: inona àry ny vanin’andro tena mety hanatanterahana an’izay fifidianana filohan’ny Repoblika izay? Satria tsy azo hadinoina fa mamaritra koa ny lalàna fa tokony ho tsy ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana no hanatanterahana ny fifidianana. Tsy maintsy jerena izay.
“Ny eritreritray aloha dia hanatona ny governemanta aloha izahay handresy lahatra ny amin’ny zavatra takin’ny fanatanterahana ny fifidianana”, hoy izy.
Hisy fanitsiana ny tetibola
Araka izay zavatra takina hanatanterahana ny fifidianana ny sora-bola mifanandrify amin’izay. Tsy maintsy misy fanitsiana ho amin’ny fanondrotana ny 45 miliara Ar, araka ny fanazavany. Mety hisy eo ny sora-bola tsy ho tratra. Izay elanelana tsy ho tratra izay no hifandresen-dahatra amin’ny mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misy lamina hifanarahana izay fiaraha-miasa izay ao anatin’ny rafitra ny amin’ny fiaraha-miroso amin’ny fanatanterahana ny fiarahamonina anjakan’ny demokrasia, ohatra, ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna, ny fanajana ny zon’olombelona…
Ananan’i Madagasikara zo ny mahazo sy misitraka tantsoraka amin’ny sora-bola natokana ho amin’izany ao anatin’ireny rafitra tsirairay avy ireny noho ny maha mpikambana azy amin’izany. Izay no hifandresen-dahatra amin’izy ireo ny amin’izay zavatra sy asa takian’ny fanatanterahana ny fifidianana, ny sora-bola takin’izany, ny tantsoroka ilaina sy tokony hisitrahana amin’ny maha mpikambana ao anatin’ ny rafitra an’i Madagasikara.
R. Nd.