Tranoben’ny tantsaha : miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro hanatsarana ny fambolena

Miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana ny fikambanana sy ny von­dron’ny tantsaha maro, na ireo mahaleo tena amin’ny asa fambolena. Araka ny fanamarihan’ny Tranoben’ny tantsaha azy, misy ireo fikambanana sy vondrona ireo, nefa tsy ampy ny rotsak’orana eto amin’ny Nosy na mitanila ny fiavian’ny orana, misy faritra mahazo rano ny fambolena, saingy amin’ny ankapobeny, tsy ampy ny rotsak’orana hanatsarana ny fambolena.
Misy fiantraikany amin’ny fambolena sy amin’ny tantsaha izany araka ny faritra misy azy. Amina faritra, miakatra ny hafanana, miharitra ny loharano, kely ny vanim-potoana hambolena.
Koa nametraka tetikasa sy fitadiavam-bola ny Trano­ben’ny tantsaha iarahana amin’ireo fikambanana na vondrona samihafa hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Hiaraha-miasa amin’ny FAO ny tetikasa rehetra, hitadiavana izay vahaolana izay.
Vahaolana voalohany na­roson’ny Tranoben’ny tantsaha, ny fitandroana ny tontolo iainana amin’ny fanafoanana na hampihenana ny doro tanety, ny tsy famotehana ala eto amintsika. Manana andraikitra goavana tsy azo ialana amin’izany ny fanjakana, ohatra, mampihena ny vidin’ny herinaratra na gazy.
Ireo indray anefa mihalafo hatrany izao, tsy araka ny fahefa-mividin’ny maro an’isa. Mifanipaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka mampisy fiantraikany goavana hita eo amin’ny fiovaovan’ny toetr’ andro. Anisan’ny manaporofo mivantana izany, ny vokatra mihamihena, ka mitombo ny fanafarana avy any ivelany, ary lafo araka izay koa ny vidiny.

Ndrina

Partager sur: