Ho tapitra amin’ny 18 febroary ho avy izao ny fe-potoana fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny QMM. Tsy nisy ny marimaritra iraisana ho an’ny tohiny, ka hanolotra fifanarahana vaovao mihitsy ny fanjakana malagasy.
Natao ny taona 1998 ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Namoahana ny lalàna 98-002 ity fifanarahana ity, ka nanomboka nanan-kery ny 18 febroary 1998, fotoana nivoahany tamin’ny gazetim-panjakana. Araka io fifanarahana io, nomena fepetra ara-ketra sy haban-tseranana manokana mandritra ny 25 taona ny orinasa QMM. Rehefa tapitra izay fe-potoana izay ka tsy misy ny fifanarahana vaovao hitan’ny roa tonta, mitohy indray izany fepetra manokana mikasika ny hetra sy ny haban-tseranana izany.
Ho tapitra amin’ny 18 febroary 2023 io fe-potoana 25 taona io. Nitsangana tamin’ny jolay 2022, ny Komity itambaran’ny teknisiana avy amin’ny fanjakana sy ny QMM. Nandinihana ny mety ho endriky ny fifanaraham- piaraha-miasa vaovao.
Tsy nisy mihitsy anefa ny marimaritra iraisana, na efa antomotra aza io fe-potoana amin’ny 18 febroary 2023 io.
Tsy hotohizana ho 25 taona
Manoloana izany, nisy ny fivoriana manokana, natao ny alatsinainy 9 janoary teo, notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, nampiantsoana ny solontena avy amin’ny QMM, ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny praiminisitra, ny solontenan’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny foibem-pitondran’ny Hetra sy ny foibem-pitondran’ny Ladoany.
Taorian’ny fivoriana, nisy ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Tinapaka fa tsy hotohizana mandritra ny 25 taona ny fepetra manokana ara-ketra sy mikasika ny haban-tseranana, homena ny QMM, fa hitohy hanan-kery hatramin’ny volana mey 2023 ihany. Satria, amin’io fotoana io ny fivoriana ara-potoan’ny parlemanta, ka hanaovana lalàna vaovao hifehy ny fifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny QMM.
Fitrandrahana mitsinjo ny vahoaka
Nanamarika ny filoha Rajoelina, nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia 10 janoary teo, fa tsy maintsy hanolotra fifanarahana fiaraha-miasa vaovao tanteraka ny fanjakana malagasy, hitsinjovana bebe kokoa ny tombontsoan’i Madagasikara. Mba tena hitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka rehetra ny fitrandrahana ny harem-pirenena. Hisy ny fihaonan’ny filoha Rajoelina amin’ny filoha tale jeneralin’ny Rio Tinto, orinasa renin’ny QMM, mandritra ny fitsidihany hataony eto Madagasikara, ny 25 hatramin’ny 27 janoary 2023 ho avy izao.
Njaka Andriantefiarinesy