Voasambotry ny zandary ireo olon-dehibe efatra mianadahy tratra namaky trano tao Behenjy afak’omaly. Nisy nanafika ny tokantrano iray ao Anjanamasoandro ambony, fokontany Antanetibe, kaominina Behenjy tamin’io andro io. Lasan’ny jiolahy tamin’
izany, ny vilany, ny biby fiompy ary kojakoja maro samihafa tao an-trano. Nahavoaray antso avy tamin’ny olon-tsotra ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana ka nidina ifotony avy hatrany taorian’izay. Nanao ny fikarohana ireo tompon’andraikitra notarihan’ny lehiben’ny tobin-jana-paritry ny zandary ao an-toerana vao tonga teny an-toerana voalaza nitrangan’ny vaky trano. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona avy eo. Fepetra noraisin’ny zandary ny fisavana ny trano manodidina ny lalana fantatra ho nalehan’ireto olon-dratsy. Vokany, hita tao amin’ny tokantrano iray teo amin’iray kilaometatra teo ireo entana very. Efa namidin’ireo olon-dratsy ny biby fiompy sasany tamin’ireo nangalariny raha ny tatitra voaray. Nosamborina avy hatrany ireo voarohirohy tamin’ity famakiana trano miharo hala-botry ity sy ny mpividy entana halatra. Miisa efatra ireo olona voasambotra ka rangahy roa sy ramatoa roa izy ireo. Nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana izy ireo mandra-piandry ny fitsarana. Naverina amin’ny tompony avokoa ireo entana sisa tavela. Miandraikitra ny raharaha ny zandary ao amin’ny tobim-paritra ao Behenjy.
Mino (Mpianatra asa)