Lany tao anatin’ny boriborintany telo eto an-dRenivohitra ny atsasa-manilan’ireo vary aparitaka manerana ny fokontany 54 nanomboka ny fiatombohan’ny herinandro teo. Sandaina amin’ny vidiny 650 Ar ny kapoaka. Lafo tao amin’ny boriborintany I, II, III eto an-dRenivohitra ny 35 taonina tamin’ireo vary tsinjo naparitaky ny fitondram-panjakana, afakomaly. Natao hamahana ny olan’ny fiakaran’ny vidim-bary eny anivon’ny mpaninjara ifotony izao hetsika izao. “Mba hampifandanja ny tolotra sy ny tinady ka hahamarin-toerana ny vidim-bary no tanjona amin’izany”, hoy ny Tale jeneralin’ny Varotra sy ny fanjifana (DGCC), Isidore Razanakoto. Nanara-maso ny fitsinjarana ireo vary ireo, nidina ifotony teny amin’ny fokontany Ampandrana, Besarety, Rasalama ary Ankadifotsy ny ekipan’ny DRICC Analamanga, ny alarobia teo. Tsiahivina fa nanafatra vary milanja 160 000 taonina ny fanjakana Malagasy hiatrehana ny maitsoahitra. Nohamafisin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Varotra fa ampy hiatrehana io vanim-potoana io izany vary nohafarana izany.
Tsiferana R.