“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Simeona Tsianenenana sy ny sanganasany

Toy ny isam-bolana, mampahafantatra mpanoratra iray sy ny sanganasany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Nosafidiana hasongadina mandritra ny “Volana iray, mpanoratra iray” amin’ity janoary ity i Simeona Tsianenenana. Mpanoratra avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, monina ao Toliara. Ankoatra ny fampahafantarana azy ao amin’ny pejy facebookn’ny minisitera, hisy ny fandaharana mikasika an’ity mpanoratra ity sy ny asa sorany, handeha amin’ny TVM. Tsy vitan’izay fa hisy ny fihaonana sy velakevitra samihafa, hotontosain’ny fitaleavam-paritra Atsimo Andrefana.
Poeta, mpanoratra tantara tsangana sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo i Simeona Tsianenenana. Teraka ny 22 oktobra 1955 tao Ambovombe Androy, manan-janaka fito mianadahy. Nanovo fahalalana tao amin’ny kolejy Manantantely , Fort Dauphin, avy eo nanohy tao amin’ny Lycée Ampanihy nialohan’ny nandalinany teny amin’ny Anjerimanontolo Toliara, Sampana Malagasy. Nampianatra an-taonany maro izy ary efa misotro ronono amin’izao fotoana izao.

Ny mikasika ny sanganasan’i Simeona Tsianenenana
Efa namoaka ny boky “Ny fanabeazana miainga amin’ny tantara tsangana manainga fototra aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana”, ny taona 2008.
Santionany amin’ny tantara nosoratany nolalaovina tao amin’ny RNM: « Ny anio ihany », « Andram-pitiavana », « Lakolosin’i Mompera », « Sahy ho rendrika ».
Santionan’ny tononkalo nosoratany: « Mahaiza misafidy », « ho aiza izahay », « Foka sy goka », « Hotambazako », «Very lalana ny safidy », «Hotambazako », « Tsy fiteny ny fitia »…
Taona 2003: “Izay vao mazava”. Tantara fanentanana mikasika ny fiarovana ny ala, fiaraha-miasa tamin’ny WWF tany amin’ny tapany avaratry ny faritra Atsimo Andrefana: Antanimeva, Soahazo, Analamisampy, Belitsake, Ankililoaky, Ampasikibo.

Taona 2004: Lohatenin’ny tantara: “Manangatra i Sokake”. Tantara fanentanana mikasika ny fiarovana ny sokatra tsy ho lany taranaka, fiaraha-miasa tamin’ny ANGAP/MNP tany amin’ny tapany atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana: Itampolo, Androka, Beheloke
Taona 2005: Lohatenin’ny tantara: “Ty afara ro areny”. Tantara fanentanana mikasika ny fandrindrana fiainam-pianakavina, fiaraha-miasa tamin’ny SAGE tao amin’ny kaominina: Ankililoaky, Tsianisiha, Ankilimaliniky, Milenaky.
Taona 2008: Lohatenin’ny tantara:”Latohiza fa mahavelo” : Tantara fanentanana ny olona hanaiky ny fari-driaka arovana (reserve marine), fiaraha-miasa tamin’ny WCS, tanam-bezo: Manombo, Tsifota, Salaya avaratry, Tsiandamba , Bekodoy, Tsiandamba
Taona 2006-2007: Lohatenin’ny tantara: “ Raha nihaiko”: Tantara fanentanana mikasika ny fiarovana ny tany tsy ho kaohin’ny riaka, fiaraha-miasa tamin’ny ANAE tao Bezaha
Taona 2011-2012: Lohatenin’ny tantara: “ Aleo mitandrina ihany”:Tantara fanentanana mikasika ny ady amin’ny doro ala, fiaraha-miasa tamin’ny WWF tao: Belalanda, Andrevo-bas
2014: Fampiofanana mpilalao tantara an-tsehatra sy horonantsarimihetsika, fiaraha-miasa tamin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny kolontsaina Atsimo Andrefana sy OMDA Toliara.

Zo ny Aina

Partager sur: