Miakatra tsikelikely ny vary amin’iny lemaka atsimo andrefan’Antananarivo iny. Tsikaritra tamin’ity herinandro ity fa velarin’ny olona any anaty arabe ny vary hatapy masoandro. Feno vary ny sisin’arabe manomboka eny amin’ny sampanana Andranotapahina hatreny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka.
Mitomandavana ny fanahazam-bary ary mila ho rakotra ny antsasaky ny arabe andaniny sy an-kilany. Manginy fotsiny ireo olona maromaro mirotsaka anaty arabe mamadibadika ny vary izay miteraka fanelingelenan’ny fifamoivoizana amin’ iny lalam-baovao Ambohitrimanjaka mipaka any Andranotapahina iny.
Ilana fanentanana amin’ ireo mponina mipetraka eny amin’ny manodidina izay manahy vary eny. Misy mihitsy koa anefa avy amin’ny tanàna manodidina tonga miaraka amin’ny fiara lehibe feno gonim-bary ary mamelatra izany eo tontolon’ny andro.
Mitera-doza ho an’ny fifamoivoizana io fanahazam-bary amoron’arabe io ka ilàna fandraisana fepetra haingana.
Lalana manivaka manampy amin’ny famonjena fotoana ho an’ny mponina avy any andrefan’Antananarivo hiakatra eto an-dRenivohitra iny lalana iny. Mandeha mafy, araka izany, ireo fiara mivezivezy eny.
Be mpandeha rahateo iny lalam-baovao iny satria miala amin’ny fitohanan’ny fiara eo Talatamaty sy Ambohibao. Manampy betsaka amin’ny famonjena fotoana ny lala-mikodana.
Tatiana A