Ankilimalinike Toliara: miantso ny fanjakana hanokatra ny Base Toliara ireo nanohitra tany aloha

Ela loatra ny fiandrasan’ny mponina ao amin’ny fokontany Benetsy, kaominina Ankilimanilike, ka hamafisin’izy ireo ny antso amin’ny fanjakana hanapa-kevitra mikasika ny orinasa Base Toliara. Notsorin’izy ireo fa « tokony efa nivaha hatry ny ela ny tsy fananan’asa sy ny tsy fandriampahalemana raha navelan’ny fanjakana niasa ity orinasa ity ».

Nanome toky i Zafihita, antsoina hoe « Za­zah », filohan’ny fikam­banana Mazoto, misahana ny kaominina Ankilimanilike sy Tsianisiha, fa efa manaiky ity tetikasa ity ny maro an’isa amin’ny mponina any amin’izy ireo. Porofo manamarina izany fa lasa miady amin’ny fisokafan’ny Base Toliara ny olona izay anisan’ny tena nanohitra mafy tany aloha. Antony, tsapany ny tombontsoa sy ny tena ilàna ity tetikasa fitrandrahana fasimainty ity ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, taorian’ny fifampidinihana nataony tamin’ireo olona efa manaiky sady manohana. Izy indray avy eo no nandresy lahatra ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimanilike sy Tsianisiha, amin’ny maha filohan’ny fi­kambanana Mazoto azy.

Tsy manan-kohanina nefa tsy nisy vahaolana naroso

Isan’ny mijoro vavolombelona amin’izany ny mponina ao amin’ny fokontany Be­netsy.
Ignace Richard Gildas : « Nanohitra ity tetikasa ity aho tany am-piandohana, satria nisy ny vaovao tsy marina nampitaina tamiko. Resy lahatra aho, ankehitriny, ny lanjan’ity tetikasa ity tena hitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina misy anay, sady hanatsara ny fari-piainan’ny mponina ».

Avilahy Barite, isan’ny olona manana ny maha izy azy ao an-tanàna : « Tsapako sy hitako ny tombontsoa entin’ny tetikasa toy izao tany Taolagnaro. Sahiko ny miteny fa tena mitondra vahaolana ho anay ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, indrindra amin’izao haratsian’ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana izao. Tsy manan-kohanina intsony izahay, nefa tsy misy ny vahaolana naroso anay. Hany vahaolana hamonjy anay ny hanokafan’ny fanjakana ny Base Toliara araka izay haingana indrindra ».

Partager sur: