Manamafy izany fitakiana ato anatin’ny fotoana fohy izany i Marcel, antsoina hoe Tsiamby, anisan’ny nanohitra ihany koa tany aloha ity tetikasa ity. Ilaina ny hamerenan’ny Base Toliara ny fanohanany ny lafiny sosialin’ny mponina, izay nahanton’ny fanjakana ny asa fihariany. Tokony efa nivaha hatramin’ ny ela ny olan’ny tsy fananan’asa sy ny tsy fandriampahalemana ary ny halatra samihafa raha navelan’ny fanjakana hiasa ity orinasa ity. Fotoana izao hamelana azy hiasa sy hanafainganana ny fisokafany indray. Mila mazava ny tena hevitry ny fanjakana. Tokony hiteny izy raha tsy manaiky, mba handraisanay fepetra, toy ny mikasika ireo fasana, ohatra, izay tokony hafindra, satria lasa miteraka olana goavana ankehitriny. Mila manome vahaolana eo noho eo koa ny fanjakana amin’ny fitotongan’ny fari-piainanay amin’izao fotoana izao.
Manohana ny lehilahy ny vehivavy
Miady manampy ny lehilahy amin’ny hisokafan’ny Base Toliara ihany koa ny vehivavy. Nilaza Rtoa Sevah, filohan’ny vehivavy mpikambana ao anatin’ny fikambanana Mazoto any Benetsy, fa « manohana tanteraka ny lehilahy izahay. Ny taninay no voakasiky ny tetikasa, ary matoky ny tombontsoa entiny izahay. Koa, miantso ny filoha Rajoelina izahay hanokatra indray ny Base Toliara ato anatin’ny fotoana fohy ».
Vehivavy sahirana amin’ny famelomana ny ankohonany sady mahita ny tsy fananan’ny tanora ao an-tanàna asa i Rtoa Tiana. Miangavy ny tenany mba hahatsapan’ny fanjakana fa isan’ny vahaolana hanatsara ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana izany.
Nanangona : Njaka Andriantefiarinesy