Fampivelarana kolontsaina: saba-droa lela ny firoboroboan’ ny fampianarana zavakanto

Vao sokafana ny tambanjotran-tserasera isan-karazany… Mipoitra marobe ny « misokatra ny sekoly fampianarana… Endrika maneho fa hivelatra ilay zavakanto. Tsy ampy anefa raha hatreo ihany
no hijerena ny tranga tahaka itony !

Mitombo isa fatratra an­kehitriny ny fisokafan’ny sekoly na toeram-pampianarana zavakanto sy kolontsaina indrindra any amin’ny tanan-dehibe. Endrika maneho fa mivelatra sy mahazo aina hatrany ny kolontsaina malagasy. Mi­tombo isa ny Malagasy tia ilay zavakanto na kolontsaina, sns. Saba-droa lela ihany anefa izy io satria mety ho voakitika hatrany amin’ny kalitaon’ny vokatra ho azo ny tranga tahaka izany.

Manana fahaiza-manao amin’ny fampitam-pahalalana ve ireo mpampianatra any amin’ireny foibe ireny ? Mahafehy tokoa ilay taranjan-javakanto ampianariny ve izy ireo ?… Hatramin’izao mantsy, saika fitiavana sy finiavana ary hafanam-po te hampivelatra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy no re fa antony hananganana ireny sekoly fianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy ireny.

Ilaina ny fampitam-pahalalana hoentina mampiroborobo ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy tokony atao ambin-javatra ihany koa anefa ny fahaiza-mifehy ny fampitam-pahalalana sy ny taranja ampitaina. Mila manatevim-pahalalana hatrany ny mpampianatra raha tiana ny hahita vokatra tsara!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: