Hasarotam-piaro : novonoina, nalevin’i Doris teo an-tokotany ny vadiny

Tratran’ny zandary tao Vohitsoa Belambo Ambalamanasy, ny alatsinainy 9 janoary lasa teo i Doris, namono nahafaty ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana noho ny hasarotam-piaro.

Maty novonoin’i Doris i Marie Violette, 21 taona vadiny noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra. Nanampy azy tamin’ ny fandevenana an-tsokosoko teo an-tokotany kosa ny tovolahy iray antsoina hoe John (naman’i Doris). Lasa nitsoaka avy hatrany izy taorian’ny fandevenana azy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ ireo olona teo amin’ny manodidina ny tranon’izy ireo, ny 6 janoary 2023, nisy nahatsikaritra ny fisian’ity vonoan’olona ity. Nangadian’ny alika koa ny toerana nandevenana ny razana noho izy tsy lalina na namoaka fofona maimbo. Nanamafy koa ny famotorana nataon’ny zandary fa nanampy betsaka azy ireo tamin’ny fikarohana ilay nahavanon-doza ny fijoroana vavolombelona teo amin’ny fiarahamonina satria efa matetika mpiady izy roa ireto. Anton’izany ny hasarotam-piaro teo amin’i Doris. Tamin’io fotoana io, niady izy roa tao an-trano ka henon’ireo olona teo amin’ny manodidina ihany, saingy tsy afa-nanoatra ny olona noho ny raharaha tokantranon’olona.

Nokendain’i Doris ny vadiny…
Tsy vita tao an-trano ny adin’izy roa fa nitohy nivoaka teny ivelan’ny trano. Nisy fotoana somary nangina kely izany rehefa niditra tao an-trano. “Hay teo amin’izay fahanginana izay indrindra no nokendain’i Doris ny vadiny ka nitarika ny fahafatesany izany”, hoy hatrany ny fitantaran’ireo olona teo amin’ny manodidina. Ny famotoran’ny zandary no nilazan’i Doris fa niantso ny namany izy mba hanampy azy nibata sy nandevina ny fatim-badiny teo an-tokontany. Taorian’ny famotoran’ny zandary, natolotra ny fampanoavana i Doris ka naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: