Tontosaina eny amin’ny «Institut Français de Madagascar» na IFM Analakely, ny asabotsy 14 janoary 2023, ny fampahafantarana ny sanganasa «Trafika». Tantara mitohy an-tsary milazalaza ny tantaran’ny kitapo mistery iray izy ity. Fiaraha-miasa teo amin’i Rafally, mpanao sary, sy Rolling Pen, mpandrindra an-tsehatra no nahatanterahana izao zavakanto izao.
Mitohy ny fanomezana ny tsara indrindra avy amin’i Rolling Pen sy Rafally ho an’ny mpankafy tantara mitohy an-tsary. Tantarana tanora lahy sy vavy izy ity. Mpikomy ilay tovolahy ka teo amin’ny fotoana saika nahatrarana azy amin’izany fikomiana ataony izany no nangalarany ilay kitapo misy mistery. Teo no niantombohan’ny tantara, nolaroana ny hafanana sy filaminan’ny tanànan’i Mahajanga sy ny morontsiraka andrefana hatrany Antananarivo maloto sy be olona.
Tanjona iraisan’izy ireo ny fanandratana ny Malagasy eo amin’ny sehatry ny literatiora sahala amin’itony.
Lin (Mpianatra asa)