Kianja Analamaitso: hankalazaina ny “Andron’ny kabary”

Ny 15 desambra 2021no nankatoavin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny fifanarahan’ny Unesco sy fanoratana ny kabary Malagasy ho ao anaty lisitry ny “harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho­an’ny zanak’olombelona” (Pa­trimoine culturel immateriel de l’humanité).

Ny 15 janoary 2022 kosa no nambara tamin’ny fomba manetritrekitra izany, tao amin’ny lapan’Andafia­vara­tra. Nanomboka tamin’izay koa no nametraka fa hatao ho “Andron’ny kabary” ny 15 janoary.
Araka izany, hisy ny lanonana entina hanamarinana ny fahaherintaona nanaovana ny fanambarana, ny alahady izao, etsy amin’ny Kianja Anala­maitso, Analamahitsy. Ha­nom­boka amin’ny 10 ora tolakandro ny tena lanonana. Mialoha izany anefa, hisy ny “diaben’ny mpikabary”, hi­ain­ga eny amin’ny Kianja Alarobia, hihazo an’Anala­ma­hitsy. Amin’io fotoana io no hanolorana mari-boninahitra ireo mpikabary malagasy ma­herin’ny 200, avy amin’ireo fikambanana isan-tsokajiny.

Zo ny Aina

Partager sur: