Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray vao 10 taona monja no voalaza ho niharan’ny herisetra ara-nofo. Omaly, tonga teny amin’ny biraon’ny zandary ao Ambatofotsikely kaominina Vinany, distrikan’i Mandoto ny renin’ ilay zaza nintantara ny zava-nisy. Nilaza izy fa naolan’ny lehilahy iray mpanampy azy ao ihany ny zanany vavy ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Tratran’ireo ray aman-drenin’ilay zazavavikely teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay lehilahy, hoy ny zandarimaria ao an-toerana. Vokany, nalefa vonjimaika eny amin’ny CSBII Vinany ilay ankizivavikely ho jerena.
Voasambotra sy atao andrimaso kosa ilay mpanampy voalaza ho nahavanon-doza. Miandraikitra ny famotorana ny zandarimaria ao Ankazomiriotra.
Henintsoa H.