Minisitra Ravokatra Fidiniavo: “Tsy lainga no hitaomana vahoaka hankahala fitondrana”

“Ekena fa manokana ny taona 2023. Fa tsy ao anatin’ny fampiasana vaovao tsy marina na amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny fanambarana isan-karazany no heverina fa hitaomana ny vahoaka hankahala ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, teny Avaradoha, afakomaly, manoloana ny fanelezana vaovao tsy marina tato ho ato. Tsy eken’ny fitondram-panjakana ny fanakorontanana na amin’ny endriny ankolaka na mi­vantana.
Apetraka tsara ny hoe: malalaka ny fanehoan-kevitra, na amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny haino aman-jery. Fa misy lalàna mifehy izany eto Madagasikara, ary sa­my tomponandraikitra amin’ izay teneniny ny tsirairay. Na olom-boafidy io, na olom-boatendry, na olom-pirenena tsotra. Tsy azo ekena ny olona mandefa sy manaparitaka vaovao tsy marina. Mikitika ny fon’ny Malagasy izany zanaka izany. Nefa tsy marina izany hoe mivaro-janaka izany, heverina hoe fanakorontanana saim-bahoaka.

“Tsy soatoavina malagasy na ara-pomban-drazana, na ara-pinoana, na ara-pivavahana, na ara-piarahamonina izany mivaro-janaka izany. Tsy amintsika Malagasy iza­ny”, hoy izy. Nanao fanadihadiana ifotony ny fanjakana. Hita ireo fanambaran’ny tomponandraiki-panjakana any ifotony, ny fanadihadian’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CINDH)… Raha fehezina ireny, tsy nisy nivaro-janaka tany Ikongo. Misy, araka ny fanazavan’ny CIN­DH, ny olona mametraka ny zanany any amin’ny fianakaviana na namana fa tsy hoe amidy. Noho ny vesatry ny fiainana, mety tsy vita ny mamelona azy.

R. Nd.

Partager sur: