Namearison Robert : “Mila lazain’ny Ceni izay fifidianana hatao amin’ity taona ity”

Hisy fifidianana ihany ve amin’ity taona ity? Nilaza ny eo anivon’ny KMF/Cnoe fa tokony holazain’ ny Ceni izay fifidianana hatao amin’ity taona ity.

“Milaza ny Ceni fa mety eo anelanelan’ny 19 no­vam­bra sy ny 19 desambra izay. Mirona sy mandeha any amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izany. Maninona raha tenenina hoe fifidianana filohan’ny Repobika no hatao amin’ity?”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­nabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, raha na­nontaniana ny heviny momba ny tetiandrom-pifidianana.

Miteny ny lalàna fa raha misy olona any ivelany hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika, tsy maintsy mipetraka eto Madagasikara enim-bolana mialoha ny fifidianana izy. Ny dikan’izany, ny fanambarana amin’izao fotoana izao ny tetiandrom-pifidianana dia manampy ny Ma­la­gasy any ivelany te hirotsa-kofidina hody eto Mada­ga­si­kara enim-bolana mialoha. Izay no takina mba hitovy ny zon’izay te hirotsa-kofidina.
Ny amin’ny lalàna hoe 60 andro farafahakeliny ary 90 andro farahabeny mialoha ny fifidianana ny famoahana ny didim-panjakana fanaikana mpifidy handatsa-bato: tsy ny hiantsoana mpifidy no namoahan’ny KMF/Cnoe fanambarana ny tokony hamoahana ny tetiandrom-pifidianana, araka ny fanazavany, fa mba hampitovy zo ny rehetra. Tokony holazaina aloha hoe: misy fifidianana ve amin’ity taona ity? Raha misy izay, fifidianana inona no hatao ary rahoviana no mety hanaovana azy?
Tokony hitovy zo ny rehetra
“Ny tian’ny KMF/Cnoe hahatongavana dia hoe: aoka hanana zo mitovy izay rehetra mieritreritra ho kandidà sy mi­eritreritra ho mpifidy amin’ny fifidianana”, hoy izy. Tsy voatery ho amin’ity taona ity ny tetiandrom-pifidianana. Nohamafisiny fa tokony holazaina hoe hisy fifidianana amin’ity taona ity sy amin’ny taona ho avy: fifidianana inona? Amin’izay, fantatra avokoa izay hatao.

Ny an’ny hafa any ivelany, ohatra, efa fantatra ny datim-pifidianana amin’ny volana oktobra. Nefa koninkonina sy afenimpenina ny eto Mada­gasikara. Zon’ny Malagasy ny mahazo vaovao: inona avokoa ny fifidianana hatao. Hisy fifidianana tokoa ve amin’ity taona ity? Miroaroa saina ny olona. Izay hatrany no mahatonga ny tsaho, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: