“Ny itiavako anao” – 52 taona : miandrandra ny fiarahana amin’i Bessa sy Lôla ny eto

Manam-bintana ireo Ma­la­­gasy monina any Frantsa! Fantatra mantsy fa hihaona amin’i Bessa sy Lôla ary hanatrika ny fampisehoana izaho hotontosaina anio, any Paris izy ireo. Rariny raha toa ka andro vitsivitsy mialoha dia lany ny tapakila ka feno ny seza ao amin’ny Pyramydes, handray ny seho.

Ela niandrasana tokoa mantsy ireo mpankafy, satria efa tena ela no tsy niaka-tsehatra izy mivady andrarezin’ny hira Malagasy ireto. Nara­raotina ny nahafeno 52 taona ilay hira “Ny itiavako anao”, hanoloran’izy ireo ny “Tafa sy kanto”, miaraka amin’ireo mpanakanto Mala­gasy maromaro, izay mandalo any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Miandrandra mafy seho goavana miaraka amin’i Bessa sy Lôla sy ireto mpanakanto novolavolainy ireto ihany koa ny eto an-tanindrazana. Mira­ra­draraka ny fanehoan-kevitra fangatahana izany, ao anatin’ ny tambajotran-tserasera, sa­tria efa aman-taonany maro no tsy nisy izany. Mety ho tanteraka ve ny faniriana?

Zo ny Aina

Partager sur: