Raharaha hala-jaza-Toliara : vehivavy naiditra am-ponja vonjimaika

Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana tao Toliara, omaly, ireo olona efatra voasaringotra tamin’ilay hala-jaza, ny talata lasateo. Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika ilay vehivavy voatondro ho nangalatra ilay zazalahikely sy ilay rasazy namany. Arahi-maso ara-pitsarana kosa izy mianadahy hafa voasaringotra tamin’ity raharaha ity.
Tsiahivina fa teraka ny alatsinainy teo tao amin’ny kli­nika ao Tanambao ilay renim-pianakaviana, renin’ ilay zazalahikely io. Nisy vehivavy nisandoka ho mpampivelona anefa nitsidika ity tera-bao ity ny talata maraina. Nilaza izy fa hitondra ilay zaza hampandroina saingy tsy niverina mihitsy. Arak’izany, taitra ny rehetra ka nampandre ny polisy avy hatrany. Vokany, nojerena avokoa ny “caméra de surveillance” tao amin’ilay klinika. Ankilan’izay, nanombokoa nitokona teo anoloan’ilay toeram-pitsaboana ny fokonolona ary saika nandoro izany mihitsy.
Taorian’io, hita tamin’ny fisavana ireo sary tamin’ny «caméra de surveillance» ny endrik’ilay vehivavy naka ilay zaza. Nokarohina izy ka hita tao an-tranony tao Ankili­ma­rovahatsy niaraka tamin’ilay zazamena. Natao ny fanadihadiana. Nilaza ity ramatoa ity fa vao teraka ary zanany tokoa ilay zazalahikely teo aminy. Nanamafy izany koa rangahy vadiny. Nandritra ny famotorana, nanonona anarana mpa­mpivelona nampiteraka azy izy ka notadiavina ihany koa. Ankoatra izay, nohamarinin’ny fianakavian’ilay vehivavy tera-bao tao amin’ny klinika fa ilay zazalahikely teraka tokoa ilay zaza tratra tao
amin’ilay ramatoa nohadihadiana. Voaporofo ihany koa fa tsy niteraka araka ny filazany ilay vehivavy tratran’ny polisy ity. Taorian’io, nosamborina izy sy ilay rasazy niray petsapetsa taminy ankoatr’ireo olona roa hafa mpiasan’ny klinika.

Henintsoa Hani

Partager sur: