Ho mateti-piavy toa sotrokely isika, amin’ny resaka hiaraha-mamakafaka anio. Tsy inona izany fa ny zon’ny zaza aman-tanora malagasy. Mahavery hevitra, mahalasa saina ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Maika mahavalaketraka anefa ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny manampahefana, manoloana ny fibiriokan’ny tanora sy ny fanosihosena ny zon’ny zaza. Sanatrian’ny vava manao vain-drahalahy tsy mahararay, ireto mpitondra fanjakana amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy ny sida.
Tsy misy ny fepetra henjana sy hentitra mba raisin’ny tomponandraikitra. Ny mifanohitra amin’izany aza no zava-misy raha ny tsilion-tsofina mandeha. Heno fa misy minisitera iray, mangataka amin’izao fotoana izao ny tsy hanasaziana ny mpidoroka zava-mahadomelina. Lazaina fa lasibatra izy ireny, lazaina fa efa marefo izy ireny ka mendrika ho tohanana fa tsy ho faizina. Mety hisy fahamarinany izany amin’ny lafiny iray, indrindra ho an’ireo mila fitsaboana sy mila fanavotana. Saingy tafiditra anatin’ny fisorohana anie ny fampiharana ny lalàna efa misy araka ny tokony ho izy e. Rehefa henjana ny sazy, mitandrina ny rehetra. Indrindra fa ity isika malagasy, tsy mahay maka lesona raha tsy kenda vao hoe domy aho ranaotra ity.
Tsy maintsy sintonina ny lakolosy, mila atao manakoako, hamafisina ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, tsindronina indrindra indrindra. Raha ny fanadihadiana manokana natao mantsy, tsy ny firaisana ara-nofo intsony anie rey olona no mampiakatra ny antontan’isan’ny mararin’ ny Sida, fa ny fampiasana fitaovam-panindromana tsy voadio. Tsy mbola misy ny tatitra na fanadihadiana ofisialy nataon’ny mpitondra, tsy ahitana antontan’isa mazava mikasika izany. Mbola mijanona ho nofinofy angamba ny politikam-pirenena ho enti-miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny Sida, izany indray.
Antso avo no atao amintsika ray aman-dreny isan-tokantrano. Mba jerijereo ny zanatsika, aza variana amin’ny fitadiavana, na sodokan’ny hita maso. Simba na simbaina tanteraka ny fiarahamonina misy antsika. Potehina an-kitsirano ny tanora malagasy. Ny vontoatim-pampianarana any an-tsekoly efa iaraha-mahita, tsy mifanaraka amin’ny filàna, ankehitriny. Ny mpiray tanàna aza, efa manavanana azy ny fifamotehan’ny samy mpifanolobodirindrina. Marary ny malagasy fa marary mafy kokoa aza ny tanora izay mbola mila tari-dalana. Tsy maintsy mitady vahaolana ho an’ny tanora isika mianakavy !
r.r