«Slam à l’U»: mihamaro ny mpankafy ny Slam

Tontosa ny zoma 13 janoary 2023, teny amin’ny Centre de Ressource des Arts Actuels de Madagascar na Craam Ankatso, ny «Slam à l’U». Seho an-tsehatra karakarain’ny fikambanana «Ma­da­ga­slam», iarahana miasa amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina sy manome vahana izany. Nisokatra ho an’ny rehetra ny sehatra, na ny efa kalaza na ny vao misandratra.Tanjona amin’izao hetsika izao ny fampiroboroboana ny «Slam» sy fanomezana toerana ny vao misandratra eo amin’ity sehatra ity.
Ao anatin’ny ezaka sy fa­na­trarana ny vina ny amin’ ny fampiroborobona ny “Slam” eto Madagasikara ny fi­k­a­m­banana Madagaslam amin’ izao. “Hita taratra ny fitombon’ny mpankafy “Slam”. Ma­ro ihany koa ireo izay vao misandratra eo amin’ity taranja ity, indrindra ny tanora”. hoy ny mpikarakara. Misy ny fanohizana ny hetsika fanao hatrizay, sahala amin’ity natao teny Ankatso ity. Hisy ihany koa ny famerenana ny hetsika nanana ny naha izy azy teo aloha, sahala amin’ny fifaninanana handraisan’ny sekoly ambaratonga faharoa anjara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: