Tesaka miray le maigny : misavorovoro ny fiainam-pirenena, sahirana ny malagasy

Mitondra ny fomba fijeriny manoloana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ny antoko Tesaka miray le maigny, raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety, omaly. Mahatsapa ny fikambanana fa misavorovoro ny fiainam-pirenena eto Madaga­si­kara. «Tsy mipetraka intsony ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona», hoy izy ireo. Ankotra izay, mahatsapa ny antoko fa efa tafahoatra loatra ny zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny. «Mahamenatra ny mpiray tanindrazana ary henatra ho an’ny mpanao politika rehetra tsy ankanavaka ny zava-misy», hoy hatrany izy ireo. Manaporofo izany ny fanjakan’ny tsy fandriampahalemana. Nasian’izy ireo teny koa fa tsy an’asa ny ankamaroan’ny tanora manana diplaoma sy nahavita fianarana. Miakatra isan-kerinandro ny vidim-piainana, mahatonga ny kere sy ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano.

Mety hitondra korontana
“Hirongatra ny adilahy politika eto amin’ny firenena ary hiafara amin’ny fipoahana ara-tsosialy raha mbola mitohy izao endri-piainana sy endri-pitondrana misy izao”, hoy Randrianambinina Ephraim, filoha nasionalin’ny fikambanana Tesaka miray le maigny. Naneho hevitra azo tanterahina ny antoko manoloana ireo tranga sy olana rehetra ireo. Vonjena haingana ny mpiray tanindrazana, avotana ny firenena, hamafisina ny demokrasia, hapetraka ny fampitondrana vaovao azo itokisan’ny vahoaka.
Marihina fa niforona ta­min’ny taona 2022 ny fikambanana ary mifototra amin’ny fanampiana ara-tsosialy. Ma­ha­tratra enina hetsy ny mpikambana ary miparitaka any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: