Nitombo isan-taona ny isan’ny zaza raisina an-tanana ao amin’ ny ivontoerana fandraisana ireo ankizy niharan’ny herisetra ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra miorina eny amin’ny BMH Isotry. Ny taona 2017, nahatratra 133 ny zaza nandalo tao amin’ny ivontoerana ary tafiakatra 181 ny taon-dasa, araka ny fanazavana.
Ireo ankizy tsy nisy mpiahy fa narian’ny fianakaviany no maro an’isa, 56 raha jerena ny antontanisa ho an’ny taona 2022, manaraka ireo niharan’ny herisetra 52. Zaza 30 no very ary 26 niasa an-trano raha fito niharan’ny fanolanana. Nanomboka ny taona 2017 kahatrami’ny taona 2022, nandray ankizy 764 ny ivontoerana ka ny tsy firaharahiana avy amin’ny fianakaviana no maro an’isa indrindra (33,12%). Najoro ny taona 2003 ny ivontoerana niaraka tamin’ny fanohanan’ny Unicef teo amin’ny lafiny ara-bola sy teknika. Hanamafy ny tambazotra fiarovana ny ankizy eto amin’ ny tanànan’Antananarivo no tanjona ka vina ny hampihenana ny zaza iharan’ny heristra sy ny fanararaotana ara-pananahana.
Mandray vonjy maika ireo ankizy niharan’ny herisetra eo anivon’ny tokantrano na tsy misy mpiahy … ny toeram-pandraisana ary miara-miasa amin’ny polisy misahana ny ankizy sy ny mpitsara miandraikitra manokana ny ankizy. 10 andro ny faharetan’ny fijanonan’ny zaza ao ary azo hitarina arakaraka ny filàna sy ny zava-misy. Misitraka sakafo, akanjo sy fikarakarana samihafa ny zaza miditra ao ary mbola ampianarina mamaky teny sy manoratra ho an’ireo mbola bado kosa. Taorian’ny fiara-miasa amin’ny masoivoho alemana, nohavaozina ny toeram-pandraisana ary nohitarina ka mahazaka ankizy 30 amin’izao fotoana izao. Mifandrimbona ny mpiray ombon’antoka mampihodina ny ivontoerana : GIZ no nanangana ny fotodrafitrasa, nampitaovana ny orinasa Orange ary nanome ny sakafo sy ny fitafiana ny Unicef.
Miantoka ny fitantanana amin’ny ankapobeny sy ny mpiasa kosa ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Vonjy