Mahazo vahana hatrany ny varotra anatiny tsy manara-drafitra na tsy manara-dalàna (informel) manerana ny Nosy. Maro anisa indrindra amin’ireo entam-barotra vokarina mitokana, anatin’izany ny sakafo, dia varotra tsy manara-dalàna, toy ireo hita eny amoron-dalana. Betsaka ny fanadihadiana efa natao momba an’io varotra io nataon’ny Instat. Misy tsy manana endrika fihariana ny asa atao fa fahazarana sy fomba fotsiny.
Ny fanatontoloana hita fa nampitombo io “fihariana “ io, ary saika voakasika ny sehatra maro tsy ampoizina, toy ny varotra fiarakodia. Nofaritan’ny mpanao fanadihadiana ara-toekarena koa fa tonga hatrany amin’ny fanaovana heloka bevava ny varotra tsy manara-dalàna. Fantatra araka ny fanadihadiana natao ihany fa sarotra ny mampanara-drafitra ireo maro an’isa, indrindra noho ny kolikoly, sy ny fahalemen’ny sampandraharaham-panjakana .
Namaritan’ny Instat azy dia noho izy asa mampidi-bola, saingy tsy misy anarana hamantarana azy na tarehimarika mitondra. Noho ity fivelomana ity ara-barotra, dia nosokajian’ny Instat any amin’ny toekarena ihany. Fihariana ara-barotra tsy manara-drafitra, saingy foto-piveloman’ny olona maro, fifanakalozana ara-barotra, tahiry ho an’ny fianakaviana sasany, sns. Na misy aza ireo sehatra sasany hitan’ny fanjakana, fantatra tsy manara-dalàna izy ireo, ohatra, amin’ny fomba fandraisana mpiasa, tsy manana fahafantarana momba ny fandeham-bola (livret comptable), latsakemboka momba ny fahasalamana, fisotroan-dronono, sns. Mila ezaka goavana eto Madagasikara iadiana amin’ny informel tsy hamono antoka ny toekarem-pirenena.
Ndrina