Tanjona napetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana tamin’ny 2022 ny hahavitana voly hazo 75 000 ha manerana ny Nosy. 73 000 ha tamin’izany no vita, azo lazaina fa fahombiazana ihany izany raha ampitahana tamin’ny taona tany aloha. Midika koa izany fa misy ny ezaka sy fampiasam-bola hamerina ho maitso an’i Madagasikara. Na izany aza, ny afo tamin’ny taona 2022, nisy 90 000 ha ny ala may teo anelanelan’ny janoary sy aogositra. Azo ambara izany fa betsaka ny very noho ny voavoly, amina kalitao sy ny habetsany.
Ambaran’ny WWF fa misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana ny faharavan’ny ala. Ankoatra ny fiovan’ny toetr’andro, manimba haingana ny tontolo iainana, mampitombo ny hafanàna sy manamaivana ny natiora.
« Mila hampitomboina ny ezaka ataontsika amin’ny fiarovana ny ala voajanahary sisa tavela, harenina izay simba, mamboly hasolo ireo may, ary arovana ireo ala tavela. Antsoina amin’izany ny rehetra hanana fahavonana hiaro ny zava-boahary. Vahaolana ny fiarovana ny tany mamokatra, ho famatsiana sakafo, famokarana angovo, sy fahazoana rivotra madio », hoy Randriambola Voahirana, ao amin’ny WWF.
« Hanamaitso an’i Madagasikara » ny voly hazo amin’ity 2023 ity. Antoka ho fanarenam- pirenena izany no adidin’ny Malagasy tsirairay ihany koa. Tsiahivina fa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny voly hazo amin’ity 2023 ity dia ny 19 janoary any Seranandavitra, Ilaka Est, distrikan’i Vatomandry. Ny Fitaleavam-paritra rehetra manomana ny fotoana any aminy. Teny filamatra ny hoe « Handao ho soloina ireo izay may ».
Ndrina