Tsy mety tafarina ny Jirama hatramin’izao na eo aza ny tetikasa Pagose. Tsiahivina fa vao nandalo teto Madagasikara ny filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena misahana ny Atsimon’i Afrika, Victoria Kwakwa, nijery ny olana momba ny angovo.
Hatramin’ny 2016, amin’ny alalan’ny tetikasa Pagose*, 105 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny Jirama, izay orinasam-panjakana. Olana goavana anefa ny ao amin’ ny Jirama hatramin’izao, koa «avy amin’io tetikasa io, tokony niampy ny famatsiana herinaratra, izay tokony miitatra sy mihatsara», hoy ny filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena, aty Atsimon’i Afrika, Victoria Kwakwa.
«Miasa ho an’ny Jirama koa izahay mba hampihena ny fatiantoka», hoy Rtoa Victoria Kwakwa. Saingy hatramin’izao tsy hita ny tena fahombiazana. Sehatra iray fototry ny fampandrosoana anefa ny angovo. Efa niara-nidinika tamin’ny fitondrana sy ny Jirama momba izany ny Banky iraisam-pirenena amin’izay fepetra raisina, ohatra, ny amin’ny vidin-jiro mba ho fiarovana ny mahantra hahazo herinaratra.
Nambara fa mila miara-miasa ary tokony hiaraka hatrany ny fanjakana sy ny tsy miankina amin’ny famoronana asa. Anisan’izany, ny fanamaivanana ny fepetra takin’ny fanjakana amin’ny famokarana angovo azo havaozina.
Malagasy 2,4 tapitrisa indray anaty fahantrana
Ny toekarena somary nihisatra anefa nampiditra indray ny Malagasy 2,4 tapitrisa latsaka anaty fahantrana, araka ny tombatomban’ ny Banky iraisam-pirenena. Koa tokony hafainganina ny fampiasam-bola avy amin’ ny sehatra tsy miankina hampihenana ny tahan’ny fahantrana efa mananika ny 82 %.
Nasian-teny ny fanavaozana tokony hatao eo anivon’ny fitantanana, izay tsiahivina fa efa natomboka tamin’ny fanoloana ireo tale maro. Antsoina koa ny governemanta hanampy amin’ izao andro sarotra eran-tany izao, ho fiarovana ara-tsosialy. Tsy mora akory ny miatrika ny fiakaran’ny vidin-tsolika, izay miantraika amin’ ny rehetra.
Ndrina
Pagose* : Projet d’Amélioration de la gouvernance et des opérations dans le secteur de l’électricité