Efa mihanika hatrany anaty tranom-piangonana ireo mpangalatra ao Fianarantsoa. Lasan’ny olon-dratsy ny zava-maneno tao amin’ny Ekar Ambatomena Fianarantsoa, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady 15 janoary teo. Nilatsaka avy any amin’ny tafo ireo mpangalatra. Tsy nihetsika arak’izany ny varavaran’ny fiangonana ka tsy naha rototra ireo manodidina. Rehefa hanatrika lamesa maraina anefa ry Masera. Hatairana no nidirana tao amin’ny efitranom-piangonana. Efa nisavoritaka sy nosihosehan’ireo tsy mataho-tody izany. Tsy vitan’io, nobatain’ireo mpangalatra ny zava-maneno sy ireo zavatra hitan’izy ireo ho sarobidy. Voatery nafindra tamin’ny toeran-kafa ny lamesa. Nidina nanao famotorana ny polisy ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.