Ambohidratrimo : zazavavikely fito taona natsingevan’ny rano

Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray sahabo ho eo amin’ny fito taona eo no hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony teo amoron’ny fefiloha ao amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo.

Omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, tsikaritr’ireo fokonolona teny amin’ny manodidina ilay ankizivavikely efa tsy nisy aina intsony. Na­voaka vonjimaika izy, nampandrenesina ihany koa ireo tompon’andraikitry ny tanàna sy ny zandarima­rian’ Ampangabe. Tokony ho ta­min’ny 10 ora teo, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Am­pangabe nijery ny zava-nisy. Nambarany tamin’izay fa sempotry ny rano no niteraka ity loza ity. Ary vinavinaina ho namoy ny ainy ny asabotsy tokony ho tamin’ny 06 ora hariva teo ilay ankizivavikely. Hatramin’ny ora nanoratanay farany tsy mbola fantatra ny ray aman-drenin’ilay zaza, tsy mbola nahazo filazana zaza very na tsy hita ihany koa ny zandarimaria ao an-toerana. Vina­vinaina ho zanak’olona eny amin’ny manodidina an’Am­pi­tatafika na koa manaraka ny lalan’ny reniranon’i Si­saony ity zaza maty ity.

Henintsoa H.

Partager sur: