CCI Toamasina : tsy vita ny fifidianan’ny birao

Niteraka savorovoro ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria (CCI) faritra Atsinanana, ny alakamisy 12 janoary teo, teto Toamasina. Tsy tontosa hatramin’ny farany izany, satria nisy ny tsy fitovian-kevitra teo anivon’ireo mpikambana tokony hanatanteraka azy. Tsy nitovy ny hevitra teo amin’ ny vondron’ny mpandraharaha roa, ny GEP Toamasina sy ny GEPT, izay samy ma­nana ny maro an’isa, hifidy izay ho filohan’ny Anteni­mieran’ny Varotra sy ny in­dostria Atsinanana, miampy ny mpikambana ao anatin’ ny birao.
Anisan’ny tsy nitoviana hevitra ny isan’ny olona amin’ny sehatry ny varotra, ny indostria ary ny servisy. Miisa 11 ny mpikambana ao anatin’ny birao maharitra.

Nanatrika ity fotoana ity ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fampirobo­robo­ana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Tsy nisy ny zava-bita nanomboboka tamin’ny folo sy sasany maraina, fa nirava-maina tamin’ny dimy ora sy sasany hariva. Tsy vita ny fifidianana, tsy nisy ny marimaritra iraisina teo amin’ireo tsy mitovy hevitra.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: