Ceni : “Hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena”

“Iza no miteny hoe tsy ho raikitra ny fifidianana filohan’ny Repoblika?” hoy ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, taorian’ny fiarahaban’ireo rantsamangaikan’ny Ceni, faritany Antananarivo, azy teny Alarobia, ny faran’ny herinandro, manoloana ny fangatahana ny momba izay fi­fidianana hatao. Araka iza­ny, fifidianana filohan’ny Re­poblika no hatao amin’ity taona ity. Mbola ao anatin’ny fandinihana tanteraka ny tetiandrom-pifidianana ny birao maharitry ny Ceni amin’izao. Soso-kevitra no hataony, ary halefany any amin’ny governemanta izay tetiandrom-pifidianana izay.
“Tsy misy fahatarana na kely aza isika izao”, hoy izy. Raha ny lalàna, 90 andro alohan’ny hanaovana ny fifidianana no tokony hivoaka ny datim-pifidianana. Dieny izao, efa mamolavola sahady an’izay daty izay ny eo anivon’ny Ceni. Tsy hiandry an’izay 90 andro mialoha izay ry zareo vao hamoaka izany, ary handefa ny soso-keviny mom­ba izany any amin’ny governemanta.

Mahatratra 8 600 000 ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy

Efa any amin’ny 8 600 000 ny antontanisa tonga eny anivon’ny distrika amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavany. Amin’izany, efa misy ny faritra lasa aloha ary ao ny mbola tratra aoriana kely. Efa mihoatra ny folo, ohatra, ny distrika manana ny salanisa mihoatra ny 76% ny taham-pahavitrihana amin’izay fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izay. Efa misy faritra roa mihoatra ny 70% izany. Anisan’izany ny faritra Sofia sy ny faritra Betsiboka, ary maro ireo distrika efa mihoatra ny 70%.
Tsiahivina fa hifarana amin’ny faran’ity volana ity ny fitetezana tokantrano ataon’ireo mpanisa mpifidy, ary hifarana amin’ny volana jona ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.

R. Nd.

Partager sur: