“Tsy ratsy ny fisokafana. Raha hanao an’izany ihany ny fitondrana: ataovy aloha ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny Hery politika mitambatra (HPM), Ralison Roger, ny amin’ny hoe fanovana na fanamboarana ny governemanta. Izay havoakan’ny fikaonandoham-pirenena izay, fantatra ny vonona hiditra ao amin’ny governemanta. Manara-maso ny fampiharana ny fanapahan-kevitra eo ny tsy vonona. Tsy mifanome tsiny fa samy tomponandraikitra amin’ny fanapahan-kevitra. “Izay no idealy”, hoy izy.
Efa tsara ny eritreritry ny fitondrana, raha hatao tokoa ny fisokafana amin’ny fananganana governemanta. Fisokafana ahoana, amin’iza, inona no hosokafana? hiara-mitantana… ? Ao anatin’izany ny amin’ny politika ara-toekarena, ny fanovana ny lalàm-pifidianana. Ahoana ny amin’ny lalàmpanorenana tsy voahaja? Eo koa ny amin’ireo mpikamban’ny HCC sy ny Ceni. “Olana tokony hovahana ireo. Tsy azo atao manta be fotsiny ny hoe hisokatra izahay, fa tongava aty ianareo”, hoy izy. Be dia be ny hanaiky, fa sitrany ahay mahazo toerana. Rehefa avy eo, sao hahavoa mafy ny fitondrana izay?
Maninona no minisitra foana no miala?
Mandeha ny resaka hatrany ampitan-dranomasina, fa efa tsy manana ny ara-drariny intsony io governemanta io. Efa nisy fitsipaham-pitokisana avy amin’ny depiote 105. Heno ny hoe miala ny minisitra. Maninona no minisitra foana no miala? Nefa ny praiministra no tomponandraikitra amin’ireo minisitra ireo. Efa tsy manana ny ara-drariny intsony izy. Manome endrika ratsy ny firenena izany. “Raha hanao fisokafana ihany, atsangano ny praiminisitra vaovao afaka hiara-miasa amin’izay fisokafana izay ahazoana miatrika tsara ny fanarenam-pirenena”, hoy ihany izy.
R. Nd.